Ilay ôtely varahina teo anatrehan’i Iaveh, nafindrany hiala eo anoloan’ny trano, mba tsy ho eo anelanelan’ny tranon’i Iaveh sy ny ôtely vaovao, dia nataony eo anilan’ity ôtely vaovao, eo avarany.
Eksodosy 40:6 - Baiboly Katolika Hataonao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny Fonenana, ao amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo dia apetraho eo anoloan’ny tabernakely na ny tranolay fihaonana. DIEM PROTESTANTA Ny alitara fisoronana dia hatao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny alitara fisoronana dia hatao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana dia apetraho eo anoloan’ny tabernakelin’ny trano-lay fihaonana. Malagasy Bible Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana. La Bible en Malgache Ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo dia apetraho eo anoloan’ny tabernakely na ny tranolay fihaonana. |
Ilay ôtely varahina teo anatrehan’i Iaveh, nafindrany hiala eo anoloan’ny trano, mba tsy ho eo anelanelan’ny tranon’i Iaveh sy ny ôtely vaovao, dia nataony eo anilan’ity ôtely vaovao, eo avarany.
Nataony teo amin’ny fidirana amin’ny Fonenana, amin’ny trano lay fihaonana, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, dia nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Hataonao eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona ny ôtely volamena fandoran-java-manitra, ary hataonao eo amin’ny fidirana ao amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.
Hapetrakao eo anelanelan’ny trano lay fihaonana sy ny ôtely ny tavy, ka hasianao rano.
Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana.
Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.