Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 4:27 - Baiboly Katolika

Ary i Iaveh nilaza tamin’i Aarôna hoe: «Mandehana mitsena an’i Môizy any an’efitra.» Dia niainga i Aarôna, ka nifanena tamin’i Môizy teo an-tendrombohitr’Andriamanitra ary nanoroka azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Mandehana mitsena an’i Mosesy any an-tany efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, dia nanoroka azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO hoe: –Mandehana mankany an-taniefitra hitsena an’i Mosesy. Dia nandeha i Aharôna ary nifanehatra taminy tao an-tendrombohitr’Andriamanitra, ka nanoroka azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO hoe: –Mandehana mankany an-taniefitra hitsena an’i Mosesy. Dia nandeha i Aharôna ary nifanehatra taminy tao an-tendrombohitr’Andriamanitra, ka nanoroka azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Jehovah tamin’i Arona: Mandehana hitsena an’i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, dia nanoroka azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Mandehana mitsena an’i Mosesy any an-tany efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, dia nanoroka azy.

Jereo ny toko



Eksodosy 4:27
15 Rohy Ifampitohizana  

ary i Jakôba nanoroka an-dRasela, dia nanandratra ny feony ka nitomany.


Dia niarina izy, nihinana sy nisotro, ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina, tamin’ny hery azony tamin’izany hanina izany, ho any Horeba tendrombohitr’Andriamanitra.


Dia nirahiny i Môizy mpanompony, sy i Aarôna olom-boafidiny.


I Jetrô rafozan’i Môizy niaraka tamin’ny zanak’i Môizy sy ny vadiny, dia tonga nanatona azy tany an’efitra nitobiany, tany an-tendrombohitr’Andriamanitra;


Dia nivoaka hitsena ny rafozany i Môizy; ka niankohoka sy nanoroka azy; ary rehefa nifanontany ny toe-pahasalamany avy izy aloha, dia niditra tao an-dain’i Môizy.


Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy, dia nantsoin’i Iaveh tao antampon-tendrombohitra izy, ka nilazany hoe: «Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely:


Ren’ny olona rehetra ny kotroka sy ny feon’ny trômpetra, hitany ny lelafo sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ka nangovitra sy nijanona teny lavitra teny izy ireo nony nahita izany.


Dia niainga i Môizy nomban’i Jôsoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr’Andriamanitra.


Ary i Môizy niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiàna. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Horeba, izy.


Dia tsy naninona azy i Iaveh. Tamin’izay no nilazan-dravehivavy hoe: «Vady tamin-dra noho ny famorana.»


Aleo roa miara-mitoetra, toy izay manirery: fa rehefa olon-droa dia misy karama be azony amin’ny asany.


koa mitsangàna, dia midìna, ary mandehana miaraka aminy, fa aza misalasala, satria izaho no naniraka azy.»