Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 4:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Dia niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO hoe: –Mandehana mankany an-taniefitra hitsena an’i Mosesy. Dia nandeha i Aharôna ary nifanehatra taminy tao an-tendrombohitr’Andriamanitra, ka nanoroka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Mandehana mitsena an’i Mosesy any an-tany efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, dia nanoroka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Dia niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO hoe: –Mandehana mankany an-taniefitra hitsena an’i Mosesy. Dia nandeha i Aharôna ary nifanehatra taminy tao an-tendrombohitr’Andriamanitra, ka nanoroka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Ary i Iaveh nilaza tamin’i Aarôna hoe: «Mandehana mitsena an’i Môizy any an’efitra.» Dia niainga i Aarôna, ka nifanena tamin’i Môizy teo an-tendrombohitr’Andriamanitra ary nanoroka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary hoy Jehovah tamin’i Arona: Mandehana hitsena an’i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, dia nanoroka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Hoy NY TOMPO tamin’i Arona: Mandehana mitsena an’i Mosesy any an-tany efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, dia nanoroka azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 4:27
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanoroka an’i Rahely i Jakôba sady nitomany.


Dia nifoha i Elià ka nihinana sy nisotro. Rehefa nahazo hery tamin’izay nohaniny izy, dia nandeha efapolo andro sy efapolo alina hatrany Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.


Kanjo nirahiny i Mosesy mpanompony sy i Aharôna ilay voafidiny:


Dia lasa i Jetrao niaraka tamin’ny vady aman-janak’i Mosesy nankany amin’i Mosesy tany an-taniefitra, dia izay nitobiany teo anilan’ny tendrombohitr’Andriamanitra.


Dia niainga hitsena azy i Mosesy, niankohoka teo anatrehany sady nanoroka azy. Ary rehefa avy nifampiarahaba izy dia niditra tao an-dain’i Mosesy.


Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin’Andriamanitra. Dia niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Izao no hambaranao amin’ny taranak’i Jakôba, dia ny Israelita.


Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon’ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny.


Dia niakatra teo an-tendrombohitr’Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin’i Josoa mpanompony,


Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.


Dia nialan’Andriamanitra tsy nataony inona i Mosesy. Nolazain’i Tsipôrà hoe «vady azo tamin’ny ra» i Mosesy noho ny famorana.


Sambatra kokoa ny olon-droa noho ny mandeha irery fa mahatsara ny valin-kasasarana izany.


Mitsangàna, dia midîna ary aza misalasala fa mandehana miaraka aminy; satria Izaho no naniraka azy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra