Ary hoy i Elisea tamin’i Giezi: «Misikìna ianao, ento eny an-tananao ny tehiko, dia mandehana. Ka raha mifanena amin’olona aza miarahaba azy; raha arahabain’olona aza mamaly azy. Dia apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.»
Eksodosy 4:17 - Baiboly Katolika Ary iny tehina iny, dia ento eny an-tananao, fa iny no hanaovanao ny famantarana.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoentinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo. DIEM PROTESTANTA Ankoatra izany, dia ento eny an-tananao iny tehina iny mba hanaovanao zava-mahagaga. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ankoatra izany, dia ento eny an-tananao iny tehina iny mba hanaovanao zava-mahagaga. Baiboly Protestanta Malagasy Dia ho entinao eny an-tànanao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo. Malagasy Bible Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo. La Bible en Malgache Dia hoentinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo. |
Ary hoy i Elisea tamin’i Giezi: «Misikìna ianao, ento eny an-tananao ny tehiko, dia mandehana. Ka raha mifanena amin’olona aza miarahaba azy; raha arahabain’olona aza mamaly azy. Dia apetraho eo amin’ny tavan’ny zaza ny tehiko.»
Ianao manainga ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy; ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,
«Mifantena lehilahy ianao dia handeha hiady amin’i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon’ny havoana, mitana ny tehin’Andriamanitra ao an-tanako.»
Dia nalain’i Môizy ny vady aman-janany, nampitaingenany ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon’i Môizy an-tanany ny tehin’Andriamanitra.
«Alao ny tehina, ka vorionao sy i Aarôna, rahalahinao, ny fiangonana. Eo anatrehan’izy ireo ianareo, dia hiteny amin’ny vatolampy, mba hampiboiboika ny ranony izy, ka dia hampivoaka rano avy amin’ny vatolampy ho azy ireo ianao, ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.»
fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;