Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 39:6 - Baiboly Katolika

Namboarina ny vato berila nalatsaka tamin’ny randram-bolamena, ka nosokirina tamin’ireo toy ny fisikotra fanombohan-kase, ny anaran’ny zanak’i Israely,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nasiany randram-bolamena manodidina kosa ny vato berila dia nosoratany taminy, araka ny fanoratana fitombo-kase, ny anaran’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Namboarina ny vato berila dia natao tao anaty bokom-bolamena; nosoratana an-tsokitra teo ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba, natao toy ny fisokitra tombokase.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Namboarina ny vato berila dia natao tao anaty bokom-bolamena; nosoratana an-tsokitra teo ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba, natao toy ny fisokitra tombokase.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran’ny firenen’ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny vato beryla nasiany randram-bola­mena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nasiany randram-bolamena manodidina kosa ny vato berila dia nosoratany taminy, araka ny fanoratana fitombo-kase, ny anaran’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko



Eksodosy 39:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Tsy ampifandanjaina amin’ny volamena avy any Ofira izy, na ny berila sarobidy na ny safira.


vatosoa berila sy vatosoa fandatsaka an-tranontranony, hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra.


Tahaka ny fikapa vato sarobidy sy fisikotra fanombohan-kase aminy, no ho fisikotrao ny anaran’ny zanak’i Israely amin’ireo vato roa ireo, ary hasianao randram-bolamena manodidina izy.


Ataovy eo amin’ny soroky ny efôda ireo vato roa ireo, ho vato fahatsiarovana ny zanak’i Israely, fa hoentin’i Aarôna amin’ny sorony roa eo anatrehan’i Iaveh ny anaran’izy ireo ho fahatsiarovana.


Ary makà vato berila roa, dia hosokirinao aminy ny anaran’ny zanakalahin’i Israely:


vato berila sy vato fandatsaka an-tranontranony hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra.


Ny fehin-kibo tambonin’ny efôda famehezana azy dia iray aminy, mitovy tenona aminy, natao tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra ary rongony mihasina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


tany Edena, sahan’Andriamanitra, ianao, rakotry ny vatosoa: dia sardoana, tôpazy, diamondra, krisôlita, ôniksa, jaspa, safira, eskarbokla, emeraoda, ary volamena nanana amponga tapaka aman-tsodina ho fanompoana anao efa voaomana tamin’ny andro nahariana anao.