ny tendrony roa amin’ny rojo roa dia hofehezinao amin’ny randram-bola roa, dia hasampinao eo amin’ny sorony roa amin’ny efôda avy eo anoloany.
Eksodosy 39:4 - Baiboly Katolika Nasiana sorony roa hanambatra azy, ka dia voakambana tamin’ny tendrony roa izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nataony nisy soroka izay nihazona ny efoda tamin’ny tendrony roa avy. DIEM PROTESTANTA Beritelo nozairina tamin’ny sisiny roa no nitondrana ny efôda. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Beritelo nozairina tamin’ny sisiny roa no nitondrana ny efôda. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nataony nisy soroka roa avy amin’ny sisiny roa hampikambanana azy. Malagasy Bible Ary nataony nisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambanana azy. La Bible en Malgache Nataony nisy soroka izay nihazona ny efoda tamin’ny tendrony roa avy. |
ny tendrony roa amin’ny rojo roa dia hofehezinao amin’ny randram-bola roa, dia hasampinao eo amin’ny sorony roa amin’ny efôda avy eo anoloany.
Nofisahina ho takelany manify ny volamena, dia nohetezana ho kofehy, vao nafehy tamin’ny rongony madinika, tenona misoratsoratra.
Ny fehin-kibo tambonin’ny efôda famehezana azy dia iray aminy, mitovy tenona aminy, natao tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra ary rongony mihasina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.