Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao, ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao.
Eksodosy 39:25 - Baiboly Katolika nanao lakolosy kely, volamena madio izy, nampifanelanelaniny tamin’ny ampongabendanitra teo amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mifanelanelana amin’ny ampongabendanitra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary nanaovany lakolosy kely volamena tsy miharo, koa ny lakolosy kely dia natao teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjobe manodidina, dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra: DIEM PROTESTANTA Notefena ny lakolosy kely volamena madio ka napetaka teny anelanelan’ny sarin’ampongabendanitra tamin’ny moron-tongotr’akanjo manodidina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Notefena ny lakolosy kely volamena madio ka napetaka teny anelanelan’ny sarin’ampongabendanitra tamin’ny moron-tongotr’akanjo manodidina. Baiboly Protestanta Malagasy ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra): Malagasy Bible ary nanao famohamandry volamena tsara izy, ary ny famohamandry dia nataony teo anelanelan'ny ampongaben-danitra tamin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany manodidina (dia teo anelanelan'ny ampongaben-danitra): La Bible en Malgache ary nanaovany lakolosy kely volamena tsy miharo, koa ny lakolosy kely dia natao teo anelanelan’ny ampongabendanitra tamin’ny morontongotry ny akanjobe manodidina, dia teo anelanelan’ny ampongabendanitra: |
Ny rariny sy ny hitsiny no hiorenan’ny seza fiandriananao, ny famindram-po sy fahamarinana no eo anatrehan’ny Tavanao.
Ary ny moron-tongony nasiany ampongabendanitra jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony mihasina;
lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, lakolosy kely iray dia ampongabendanitra iray, amin’ny morontongotry ny akanjo lava manodidina, mba hanaovana ny fanompoam-pivavahana, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.