Asio vozony, eo afovoany, hidiran’ny loha, ary hisy sisiny manodidina io vozony io ka ho voatenona toy ny fanao amin’ny vozon’akanjo fiarovan-tratra, mba tsy ho rovitra ny akanjo lava.
Eksodosy 39:23 - Baiboly Katolika Ny vozony, teo afovoan’ny akanjo lavan’ny efôda, dia nataony toy ny an’ny akanjo fiarovan-tratra: nasiany sisiny vita tenona, manodidina io vozona io, mba tsy haharovitra azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny vozon’ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy haharovitra azy. DIEM PROTESTANTA Nasiana vavany teo afovoany mba hidiran’ny loha, ka notenomina sy nohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nasiana vavany teo afovoany mba hidiran’ny loha, ka notenomina sy nohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny vozon’ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy. Malagasy Bible Ary ny vozon'ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy hahatriatra azy. La Bible en Malgache Ny vozon’ny akanjo ivelany dia teo afovoany tahaka ny vozon’ny akanjo fiarovan-tratra, ary nisy sisiny manodidina ny vozony mba tsy haharovitra azy. |
Asio vozony, eo afovoany, hidiran’ny loha, ary hisy sisiny manodidina io vozony io ka ho voatenona toy ny fanao amin’ny vozon’akanjo fiarovan-tratra, mba tsy ho rovitra ny akanjo lava.
Ary ny moron-tongony nasiany ampongabendanitra jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony mihasina;