Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 39:14 - Baiboly Katolika

Nifanerana tamin’ny anaran’ny zanak’i Israely ny isan’izy ireo, fa nisy roa ambin’ny folo, toraky ny anaran’ireo, voasikotra toy ny amin’ny fanombohan-kase izy, ka samy nisy anarana iray avy tamin’ny foko roa ambin’ny folo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny vato dia nalahatra araka ny anaran’ny fokon’ny Zanak’Israely, roa amby folo araka ny anarany avy. Izy ireo dia nitondra ny anaran’ny foko roa amby folo, voasoratra toy ny amin’ny fitombo-kase.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nosoratana an-tsokitra teo amin’ny vatosoa tsirairay avy ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba izay miisa 12; natao toy ny fisokitra tombokase izany, ka ireo vato ireo no solotenan’ny foko israelita 12.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nosoratana an-tsokitra teo amin’ny vatosoa tsirairay avy ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba izay miisa 12; natao toy ny fisokitra tombokase izany, ka ireo vato ireo no solotenan’ny foko israelita 12.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran’ny firenen’ny Zanak’Isiraely, dia roa ambin’ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin’ny fanombohan-kase ho an’ny firenena roa ambin’ny folo araka ny anarany avy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny vato dia nalahatra araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary nisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase ho an'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny vato dia nalahatra araka ny anaran’ny fokon’ny Zanak’Israely, roa amby folo araka ny anarany avy. Izy ireo dia nitondra ny anaran’ny foko roa amby folo, voasoratra toy ny amin’ny fitombo-kase.

Jereo ny toko



Eksodosy 39:14
4 Rohy Ifampitohizana  

Tahaka ny fikapa vato sarobidy sy fisikotra fanombohan-kase aminy, no ho fisikotrao ny anaran’ny zanak’i Israely amin’ireo vato roa ireo, ary hasianao randram-bolamena manodidina izy.


andalana fahefatra: krizôlita, berila, jaspa. Samy voahodidina rôzy kely volamena ireo vato ireo avy, teo amin’izay nandatsahana azy.


Teo amin’ny saron-tratra dia nasiana rojo madinika, volamena madio, voarandrana toy ny tady.


Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny; nisy Anjely roa ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’i Israely.