Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Eksodosy 38:10 - Baiboly Katolika roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany. DIEM PROTESTANTA farango sy ànjaka volafotsy no nanantonana azy teo amin’ny andry halimo roapolo, izay nitsatoka tamin’ny faladia halimo roapolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara farango sy ànjaka volafotsy no nanantonana azy teo amin’ny andry halimo roapolo, izay nitsatoka tamin’ny faladia halimo roapolo. Baiboly Protestanta Malagasy ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin’ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany. Malagasy Bible ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany. La Bible en Malgache ka roapolo ny andriny ary roapolo ny faladiany varahina; volafotsy ny fihantonany amin’ny andriny sy ny farango hitohizany. |
Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Tamin’ny lafiny avaratra, zato hakiho ny fefy lamba, roapolo ny andriny, roapolo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Dia nanao ny kianja izy. Ny fefy lamba tamin’ny lafiny atsimo, ao ankavanana, dia zato hakiho ny halavany; rongony madio mihasina no nanaovana azy;