Lava be moa ny bao, ka dia hita izy raha eo amin’ny Fitoerana Masina; fa ny any ivelany no tsy mahita azy. Dia tao izy mandraka androany.
Eksodosy 37:5 - Baiboly Katolika Natsofony tamin’ireo masom-bola teo amin’ny lanin’ny fiara ny bao hitondrana azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nampidiriny ho ao amin’ny mason-drojo izay eo amin’ny lafin’ny vata ny bao hilanjana azy. DIEM PROTESTANTA Natsofony tao amin’ireo haba ireo ny bao roa mba hilanjana ny Vatamasina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Natsofony tao amin’ireo haba ireo ny bao roa mba hilanjana ny Vatamasina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nampidiriny ny bao ho eo amin’ny vava vola, izay eo amin’ny lafin’ny fiara, hilanjana azy. Malagasy Bible Ary nampidiriny ny bao ho eo amin'ny vava vola, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy. La Bible en Malgache Nampidiriny ho ao amin’ny mason-drojo izay eo amin’ny lafin’ny vata ny bao hilanjana azy. |
Lava be moa ny bao, ka dia hita izy raha eo amin’ny Fitoerana Masina; fa ny any ivelany no tsy mahita azy. Dia tao izy mandraka androany.
Nanao fanaovam-panavotana tamin’ny volamena madio izy; roa hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany.
Fa apetraho aminy kosa ny fikarakarana ny Fonenan’ny vavolombelona mbamin’ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy. Izy ireo no hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy; izy no hanao ny fanompoana ao aminy; ary izy no hitoby manodidina ny Fonenana.
Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.