Eksodosy 37:22 - Baiboly Katolika Iray amin’ny fanaovan-jiro ireo bokony aman-drantsany, fa vongam-bolamena an-tefy iray ihany, volamena madio, no nanaovana azy rehetra manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny bokony sy ny rantsany dia niray taminy avokoa; izy rehetra dia natao vongana iray tamin’ny volamena iray tsy miharo. DIEM PROTESTANTA Nitambatra ho iray ihany tamin’ny sisa rehetra ny boko sy ny rantsana, ary samy volamena madio avokoa izy rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitambatra ho iray ihany tamin’ny sisa rehetra ny boko sy ny rantsana, ary samy volamena madio avokoa izy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin’ny volamena tsara izy rehetra. Malagasy Bible Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin'ny volamena tsara izy rehetra. La Bible en Malgache Ny bokony sy ny rantsany dia niray taminy avokoa; izy rehetra dia natao vongana iray tamin’ny volamena iray tsy miharo. |
«Hanao fanaovan-jiro amin’ny volamena madio ianao; hataonao an-tefiny avokoa izy mbamin’ny faladiany sy ny tahony, ary fonjany iray ihany ny ravim-boninkazo, ny bokony ary ny voniny,
Ho fonjany iray ihany amin’ny fanaovan-jiro ireo bokony sy rantsany ireo, ary ho fonjam-bolamena an-tefiny iray ihany avokoa izy manontolo, sady volamena madio.
bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa voalohany, misampana avy amin’ny fanaovan-jiro; bokony iray teo amin’ny rantsany roa manarakaraka avy amin’ny fanaovan-jiro; ary bokony iray teo ambanin’ny rantsany roa farany avy amin’ny fanaovan-jiro, araka ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.
Volamena madio avokoa no nanaovany ny lalampy fito sy ny hetin-jirony, ary ny fitoeran-davenon-jirony.
Fa ny tanimboaloboka telon-jato aza tsy hahavokatra afa-tsy iray bata, ny voan-javatra iray homera tsy hahavokatra afa-tsy iray efah.
fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;