Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 37:19 - Baiboly Katolika

Ka ny rantsany voalohany nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; ny rantsany faharoa nisy ravim-boniny telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; dia nisy toy izany avokoa ny rantsany enina misampana avy amin’ny fanaovan-jiro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

teo amin’ny rantsany iray dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; teo amin’ny sampany iray koa dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ny rantsany enina tamin’ny fitoeran-jiro.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Isaky ny rantsana tsirairay dia nisy felam-boninkazo telo miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Isaky ny rantsana tsirairay dia nisy felam-boninkazo telo miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

teo amin’ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ny amygdala, mbamin’ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin’ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ny amygdala, mbamin’ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ny sampany enina tamin’ny fanaovan-jiro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

teo amin'ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin'ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin'ny sampany enina tamin'ny fanaovan-jiro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

teo amin’ny rantsany iray dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; teo amin’ny sampany iray koa dia nisy foto-boniny telo natao tahaka ny vonin’ny amanda, mbamin’ny bokony sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ny rantsany enina tamin’ny fitoeran-jiro.

Jereo ny toko



Eksodosy 37:19
3 Rohy Ifampitohizana  

Ny rantsany voalohany dia hisy ravim-boninkazo telo miendrika vonin’amandia bokony sy voniny; ny rantsany faharoa dia hisy ravim-boninkazo telo miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny; dia ho toy izany avokoa ny rantsany enina avy, amin’ny fanaovan-jiro.


Rantsany enina no teo an-daniny roa; ny rantsany telo amin’ny fanaovan-jiro dia tao amin’ny laniny iray; ary ny rantsany telo amin’ny fanaovan-jiro dia tao amin’ny laniny iray hafa.


Teo amin’ny tahon’ny fanaovan-jiro nisy ravim-boniny efatra miendrika vonin’amandia, bokony sy voniny: