Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 36:34 - Baiboly Katolika

Nopetahana takela-bolamena ny hazo fisaka; natao volamena koa ny masom-bola nidiran’ny barany; ary nopetahana volamena koa ny barany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny hazofisaka dia nopetahany takelaka volamena, ary nataony volamena koa ny mason-drojo aminy, izay hitoeran’ny barany; nopetahany takelaka volamena koa ny barany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Norakofany takela-bolamena, na hazo fisaka na ny barany; ary nisy haba volamena notefeny mba hitsofohan’ny barany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Norakofany takela-bolamena, na hazo fisaka na ny barany; ary nisy haba volamena notefeny mba hitsofohan’ny barany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny zanakazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny hazofisaka dia nopetahany takelaka volamena, ary nataony volamena koa ny mason-drojo aminy, izay hitoeran’ny barany; nopetahany takelaka volamena koa ny barany.

Jereo ny toko



Eksodosy 36:34
4 Rohy Ifampitohizana  

Nopetahan’i Salômôna volamena madio izy, ary nopetahany sedera koa ny ôtely. Nopetahan’i Salômôna volamena madio avokoa ny ati-trano, ary nasiany rojo volamena nisakana, teo anoloan’ny Fitoerana Masina, izay norakofany volamena koa.


Hataonao eo akaikin’ny sisiny ny masom-bolamena, fa hampidirana ny bao hilanjana ny latabatra.


Ny barany afovoany nahatratra ny tendrony roa amin’ny lavan’ny hazo fisaka.


Ny efitra lamba dia natao tamin’ny Jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina, nosoratana sarin-kerobima: asa-mpanenona mahay;