Hisy lahiny roa avy, amin’ny hazo fisaka iray, ka hatao izay hifandraisany; ka hataonao toy izany avokoa ny hazo fisaka amin’ny Fonenana.
Eksodosy 36:22 - Baiboly Katolika Lahiny roa mifampikambana no tamin’ny hazo fisaka tsirairay; ary natao toy izany avokoa ny hazo fisaka tamin’ny Fonenana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lahiny roa no amin’ny hazofisaka iray ka nasiany izay hikambanany. Izany no nanaovany ny hazofisaka rehetra tamin’ny tabernakely. DIEM PROTESTANTA nasiana lahiny roa mirazotra isaky ny hazo fisaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara nasiana lahiny roa mirazotra isaky ny hazo fisaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary lahiny roa no amin’ny zanakazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zanakazo rehetra tamin’ny tabernakely. Malagasy Bible Ary lahiny roa no amin'ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin'ny tabernakely. La Bible en Malgache Lahiny roa no amin’ny hazofisaka iray ka nasiany izay hikambanany. Izany no nanaovany ny hazofisaka rehetra tamin’ny tabernakely. |
Hisy lahiny roa avy, amin’ny hazo fisaka iray, ka hatao izay hifandraisany; ka hataonao toy izany avokoa ny hazo fisaka amin’ny Fonenana.
Natao ny hazo fisaka momba ny Fonenana, hazo fisaka roapolo amin’ny lafiny atsimo, ankavanan’ny Fonenana;