Hanao fivoriana masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin’ny andro fahafito. Tsy hiasa amin’ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairay avy no azonareo atao.
Eksodosy 35:3 - Baiboly Katolika Tsy hisy hampirehetana afo ny tranonareo amin’ny andro sabata.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza mampirehitra afo amin’ny andro Sabata any amin’izay rehetra itoeranareo. DIEM PROTESTANTA Na aiza na aiza honenanareo, dia tsy azonareo atao na dia ny mandrehitra afo aza amin’ny andro sabata. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Na aiza na aiza honenanareo, dia tsy azonareo atao na dia ny mandrehitra afo aza amin’ny andro sabata. Baiboly Protestanta Malagasy Aza mampirehitra afo amin’ny andro Sabata any amin’izay rehetra itoeranareo. Malagasy Bible Aza mampirehitra afo amin'ny andro Sabata any amin'izay rehetra itoeranareo. La Bible en Malgache Aza mampirehitra afo amin’ny andro Sabata any amin’izay rehetra itoeranareo. |
Hanao fivoriana masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin’ny andro fahafito. Tsy hiasa amin’ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairay avy no azonareo atao.
«Izany no nasain’i Iaveh atao, andro fitsaharana rahampitso, andro sabata, voatokana ho an’i Iaveh; ka endaso amin’ny lafaoro izay hendasinareo, andrahoy izay handrahoinareo, ary tahirizo ny sisa rehetra, avelao ho ampitso maraina».
«Mandritra ny henemana no hanaovanao ny asanao, fa amin’ny andro fahafito mitsahara, mba hiala sasatra ny omby aman’ampondranao, sy haka aina ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny.
Ny andro enina no hiasana fa ny andro fahafito ho andro fitsaharana amin’ny asa rehetra, dia voatokana ho an’i Iaveh. Koa na zovy na zovy no hanao asa amin’ny andro sabata dia hoheloin-ko faty.
Niteny tamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra i Môizy ka nanao hoe: «Izao no nodidian’i Iaveh hatao:
Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata, amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina, raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana, sy ny andro masin’i Iaveh hoe: mendrika hohajaina. Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana;
«Andro enina no hiasana, fa ny andro fahafito dia sabata, fitsaharana amin’ny asa rehetra, hasiana fivoriana masina. Tsy hanao asa na inona na inona ianareo, fa fitsaharana voatokana ho an’i Iaveh io, any amin’izay tany rehetra honenanareo.»