Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 33:23 - Baiboly Katolika

izay vao esoriko ny tanako, ka eo ivohoko no hahitanao Ahy, fa ny Tavako tsy hay jerena.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hanaisotra ny tanako Aho ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako dia tsy azon’olona jerena.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo vao hoesoriko ny tanako, ka ho azonao jerena avy ao ivohoko Aho, satria tsy azo jerena ny tavako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo vao hoesoriko ny tanako, ka ho azonao jerena avy ao ivohoko Aho, satria tsy azo jerena ny tavako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hanaisotra ny tànako Aho, ka hahita ny vohoko hainao; fa ny tavako tsy ho hita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hanaisotra ny tanako Aho ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako dia tsy azon’olona jerena.

Jereo ny toko



Eksodosy 33:23
6 Rohy Ifampitohizana  

Mihambo hanakatra ny halalinan’Andriamanitra va ianao, sy hahatratra ny fahalavorarian’ny Tsitoha?


Izany no sisintsisin’ny lalany, fimenomenona malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?»


Dia hoy i Iaveh: «Tsy afa-mahita ny Tavako ianao, satria tsy afa-mahita Ahy ny olombelona ka mbola ho velona ihany.»


Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy.»


Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho.


Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.