Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 33:2 - Baiboly Katolika

Haniraka Anjely eo alohanao Aho, ary handroaka ny Kananeanina, ny Amôreana, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha ka horoahiko ny Kananita, ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dàlana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amôrita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dàlana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amôrita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha ka horoahiko ny Kananita, ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita,

Jereo ny toko



Eksodosy 33:2
16 Rohy Ifampitohizana  

ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Zerizeseanina ary ny Jeboseanina.»


I Iaveh Andriamanitry ny lanitra Izay naka ahy tao an-tranon’ny raiko, sy tany amin’ny tany nahaterahako, Izay niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: ‹Homeko ny taranakao ity tany ity› dia izy ihany koa no haniraka ny Anjeliny eo alohanao, ka haka vady avy any ho an’ny zanako ianao.


ary koa ny Jeboseanina, ny Amôreana, ny Jerzeseanina,


«Indro Aho maniraka Anjely eo alohanao, hiaro anao eny an-dalana sy hahatonga anao any amin’ny toerana nomaniko.


Ka hoy Aho: Hoentiko ianareo hiakatra avy any Ejipta, izay amoretana anareo, ho any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely.


Ka hidina aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejiptianina, hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity, ho any amin’ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin’ny tany honenan’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.


Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny Anjeliko, nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.»


Ary hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Ianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity vahoaka ity, kanefa izay hirahinao hiaraka amiko mbola tsy lazainao amiko. Nilaza anefa Ianao nanao hoe: Fantatro amin’ny anaranao ianao, efa nahita fitia eo imasoko ianao;


«Tandremo izao andidiako anao izao: Indro horoahiko eo anoloanao ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.


Fa handroaka ny firenena eo anoloanao aho, ary hanitatra ny faritry ny taninao. Tsy hisy olona handrebona ny taninao, mandritra ny hiakaranao hiseho eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, intelo isan-taona.»


Amin’izany andro izany, i Iaveh hanangana manda manodidina ny mponina ao Jerosalema, ary izay mangozohozo eo amin’izy ireo, dia ho tahaka an’i Davida amin’izany andro izany, ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra, dia ho tahaka ilay Anjelin’i Iaveh, eo anoloan’izy ireo.


Horoahin’i Iaveh Andriamanitrao tsikelikely eo anatrehanao ireo firenena ireo; tsy ho azonao ringanina vetivety izy, fandrao dia mihamaro ny biby dia, ka hamely anao.


Nita an’i Jordany ianareo, dia tonga tao Jerikô; niady taminareo ny mponina tao Jerikô, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Gergeseanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina; ka natolotro teo an-tananareo ireny.


Dia hoy i Jôsoe: «Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona, ka tsy maintsy horoahina eo anoloanareo tokoa ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Heveanina, ny Ferezeanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ary ny Jeboseanina:


Nanafaka anareo tamin’ny tanan’izay rehetra nampahory anareo; noroahiko teo anoloanareo ireny dia nomeko anareo ny taniny.