Fa ny anankiray tamin’ny zatovon’i Jôaba nijanona teo anilan’i Amasà, ka nanao hoe: «Izay mankasitraka an’i Jôaba izay miandany amin’i Davida, dia aoka hanaraka an’i Jôaba!»
Eksodosy 32:26 - Baiboly Katolika Ka dia nijanona teo am-bavahadin’ny toby i Môizy, nanao hoe: «Mbà tonga atỳ amiko izay momba an’i Iaveh.» Ary ny zanak’i Levì rehetra nivory nankeo aminy. Ka hoy izy tamin’ireo: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia nijanona teo amin’ny vavahadin’ny toby i Mosesy ka niteny hoe: Izay rehetra an’NY TOMPO, mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’i Levy rehetra dia niangona teo aminy. DIEM PROTESTANTA Koa nitsangana teo am-bavahadin’ny toby izy, ary niantso hoe: –Izay an’ny TOMPO, mankanesa etỳ amiko! Dia nitangorona teo amin’i Mosesy ny Levita rehetra, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nitsangana teo am-bavahadin’ny toby izy, ary niantso hoe: –Izay an’ny TOMPO, mankanesa etỳ amiko! Dia nitangorona teo amin’i Mosesy ny Levita rehetra, Baiboly Protestanta Malagasy dia nijanona teo amin’ny vavahadin’ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an’i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’i Levy rehetra niangona teo aminy. Malagasy Bible dia nijanona teo amin'ny vavahadin'ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an'i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak'i Levy rehetra niangona teo aminy. La Bible en Malgache dia nijanona teo amin’ny vavahadin’ny toby i Mosesy ka niteny hoe: Izay rehetra an’NY TOMPO, mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’i Levy rehetra dia niangona teo aminy. |
Fa ny anankiray tamin’ny zatovon’i Jôaba nijanona teo anilan’i Amasà, ka nanao hoe: «Izay mankasitraka an’i Jôaba izay miandany amin’i Davida, dia aoka hanaraka an’i Jôaba!»
Niandrandra tany am-baravarankely izy, dia nanao hoe: «Iza no momba ahy?» Eonòka roa na telo no nitsirika azy,
Iza no hitsangana ho ahy, hanohitra ny ratsy fanahy? Iza no hanohana ahy, hanohitra ireo manao ratsy?
Dia hitan’i Môizy fa nanarana tsy voafehy intsony ny vahoaka satria nampanaranin’i Aarôna tsy voafehiny, ka efa namela azy ho zary fihomehezan’ny fahavalony izy.
«Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Samia ianareo manao ny sabany eo am-balahany avy, ka mandehana mamakivaky ny toby, hatramin’ny vavahadin’ny toby anankiray, ka hatramin’ny anankiray, dia samia mamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny havany avy.»
izay nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe: Tsy nahita azy ireo aho, izay tsy nahalala ny rahalahiny na nahafantatra na inona na inona momba ny zanany, fa nankatò ny teninao izy, ary nitana ny fanekenao.
Efa mby akaiky an’i Jerikô i Jôsoe, no nanopy maso nijery, ka indro nisy lehilahy anankiray nitana sabatra voatsoaka nijoro teo anatrehany; dia nanatona azy i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Momba anay va ianao sa momba ny fahavalo?»