Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 32:18 - Baiboly Katolika

Fa hoy ny navalin’i Môizy: «Tsy mba feo fihobian’ny mpandresy na feo fibabababan’ny resy izany fa feon’olona mihira no reko.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ny mahery na feo fitomanian’ny resy fa feon’ny mihira no reko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Tsia, tsy horakora-pandresena, na kiakiakam-paharesena no reko, fa hiram-pety.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Tsia, tsy horakora-pandresena, na kiakiakam-paharesena no reko, fa hiram-pety.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ny mahery na feo fitomanian’ny resy no reko, fa feon’ny mihira.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian'ny mahery na feo fitomanian'ny resy no reko, fa feon'ny mihira.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ny mahery na feo fitomanian’ny resy fa feon’ny mihira no reko.

Jereo ny toko



Eksodosy 32:18
5 Rohy Ifampitohizana  

Nony nandre ny tabataban’ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin’i Môizy hoe: «Finanananàna toy ny any an’ady izany any amin’ny toby izany.»


Nony mby teo akaikin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo ambodin’ny tendrombohitra.