Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny.
Eksodosy 32:15 - Baiboly Katolika Ary i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra, nitondra teny an-tanany ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka voasoratra tamin’ny lafiny roa, voasoratra tamin’ny lafiny iray sy tamin’ny lafiny iray koa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nihodina i Mosesy ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tanany; ny vato fisaka dia nosoratana teo amin’ny lafiny roa; samy nisy soratra teo anoloany sy teo ambadika. DIEM PROTESTANTA Ary nitodi-doha i Mosesy, ka nidina avy eny an-tendrombohitra. Nentiny teny an-tanany ny vatofisaka roa izay nanoratana ny didin’Andriamanitra, samy voasikotra teo amin’ny lafiny anankiray. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nitodi-doha i Mosesy, ka nidina avy eny an-tendrombohitra. Nentiny teny an-tanany ny vatofisaka roa izay nanoratana ny didin’Andriamanitra, samy voasikotra teo amin’ny lafiny anankiray. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin’ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo am-badika no nisy ny soratra. Malagasy Bible Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra. La Bible en Malgache Dia nihodina i Mosesy ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tanany; ny vato fisaka dia nosoratana teo amin’ny lafiny roa; samy nisy soratra teo anoloany sy teo ambadika. |
Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny.
Dia napetrak’i Aarôna teo anatrehan’ny Vavolombelona izany, mba hotahirizina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amiko eto an-tendrombohitra ka mijanòna eo, fa homeko anao ny vato fisaka, ny didy aman-dalàna nosoratako hampianarina azy ireo.»
Niditra tao anatin’ny rahona i Môizy, dia niakatra tao an-tendrombohitra, ka nijanona teo an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina i Môizy.
Nony tapitra niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
Asan-tanan’Andriamanitra ireo takelaka ireo, ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra voasikotra tamin’ny takelaka.
Nidina avy an-tendrombohitra Sinaia i Môizy, ary i Môizy nitondra ny takelaka roan’ny vavolombelona teny an-tanany nony nidina avy any an-tendrombohitra; ary tsy fantatr’i Môizy fa tonga mpandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, nandritra ny niresahiny tamin’i Iaveh.
Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin’ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.
Eny, miseho miharihary fa ianareo no taratasin’i Kristy, nampanoratiny anay, tsy tamin’ny ranomainty, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona; ary tsy tamin’ny takela-bato fisaka fa tamin’ny takela-nofo kosa, dia ny fonareo izany.
Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin’ny vato aza nohodidinim-boninahitra, ka tsy nahabanjina ny tavan’i Môizy ny zanak’i Israely, noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana,
Koa ankehitriny nahoana no dia ho faty izahay? Fa ho levon’io afo lehibe io izahay, ary ho faty izahay, raha mbola mandre ny feon’i Iaveh Andriamanitsika indray.»
Dia nihodina aho, ka nidina avy tany an-tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo, ary ny takelaka roa nisy fanekena, teny an-tanako roa.
ny ôtely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran’ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Aarôna izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena.
Ary indro, hitako teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombokase fito.