Eksodosy 32:15 - DIEM PROTESTANTA15 Ary nitodi-doha i Mosesy, ka nidina avy eny an-tendrombohitra. Nentiny teny an-tanany ny vatofisaka roa izay nanoratana ny didin’Andriamanitra, samy voasikotra teo amin’ny lafiny anankiray. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201115 Dia nihodina i Mosesy ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tanany; ny vato fisaka dia nosoratana teo amin’ny lafiny roa; samy nisy soratra teo anoloany sy teo ambadika. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara15 Ary nitodi-doha i Mosesy, ka nidina avy eny an-tendrombohitra. Nentiny teny an-tanany ny vatofisaka roa izay nanoratana ny didin’Andriamanitra, samy voasikotra teo amin’ny lafiny anankiray. Jereo ny tokoBaiboly Katolika15 Ary i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra, nitondra teny an-tanany ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka voasoratra tamin’ny lafiny roa, voasoratra tamin’ny lafiny iray sy tamin’ny lafiny iray koa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy15 Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin’ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo am-badika no nisy ny soratra. Jereo ny tokoMalagasy Bible15 Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache15 Dia nihodina i Mosesy ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tanany; ny vato fisaka dia nosoratana teo amin’ny lafiny roa; samy nisy soratra teo anoloany sy teo ambadika. Jereo ny toko |
Raha natao sokitra teo amina takela-bato ny lalàna, dia niseho ny voninahitr’Andriamanitra; ary namirapiratra ny tavan’i Mosesy, ka tsy tantin’ny vahoaka Israely nobanjinina ny tavany, na dia namirapiratra nihelina ihany aza. Koa raha heni-boninahitra toy izany àry ny fanompoana teo amin’ny lalàna izay mitondra fahafatesana,
Ireo didy ireo no nampitain’ny TOMPO tamim-peo mahery tany an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo sy ny setroka ary ny rahona mikitroka. Ianareo Israelita rehetra izay tafavondrona teo am-bodin’ny tendrombohitra no nampitany azy ary tsy nanampiany na inona na inona. Ireo didy ireo avy eo dia nosoratany tamin’ny takela-bato anankiroa izay natolony ahy.
tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.