Dia napetrak’i Aarôna teo anatrehan’ny Vavolombelona izany, mba hotahirizina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Eksodosy 30:36 - Baiboly Katolika Torotoroy hanjary vovony izy, dia ametraho eo anoloan’ny vavolombelona ao an-trano lay fihaonana izay hihaonako aminao. Ho zava-masina indrindra izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Makà avy amin’izany ka totoy ho tonga vovony tena malemy, dia asio avy amin’izany eo anoloan’ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo io. DIEM PROTESTANTA Hotorotoroina ho vovoka madinika izany ka hampiasaina ao amin’ny Tranolay fihaonana, manoloana ny Vatamasina izay toerana hihaonako aminao. Hanan-kasina miavaka aminareo izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hotorotoroina ho vovoka madinika izany ka hampiasaina ao amin’ny Tranolay fihaonana, manoloana ny Vatamasina izay toerana hihaonako aminao. Hanan-kasina miavaka aminareo izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan’ny Vavolombelona ao amin’ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo izany. Malagasy Bible Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan'ny Vavolombelona ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo izany. La Bible en Malgache Makà avy amin’izany ka totoy ho tonga vovony tena malemy, dia asio avy amin’izany eo anoloan’ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana* izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo io. |
Dia napetrak’i Aarôna teo anatrehan’ny Vavolombelona izany, mba hotahirizina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Fa eo no hihaonako aminao; ary eo ambonin’ny fanaovam-panavotana, anelanelan’ny kerobima roa, izay ao ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, no hampandrenesako anao ny didy rehetra homeko anao ho an’ny zanak’i Israely.»
Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»
Dia ireo no hanamboaranao zava-manitra hanaovana ny fanembohana, voaharoharo araka ny asan’ny mpahay zava-manitra; asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.
Io ôtely io dia hapetrakao manatrika ny efitra lamba izay eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona, manatrika ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny vavolombelona, dia eo amin’izay hihaonako aminao.
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ilazao i Aarôna rahalahinao, mba tsy hiditra lalandava ao amin’ny fitoerana masina, anatin’ny efitra lamba, eo anoloan’ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny fiara, sao ho faty izy, satria miseho eo amin’ny rahona eo ambonin’ny fanaovam-panavotana Aho.