Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 30:24 - Baiboly Katolika

kasa dimanjato sikla, araka ny sikla masina, ary diloilon’ôliva iray hina;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

kasia dimanjato, araka ny sekela masina, ary diloilon’oliva eran’ny hina;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ary kasia dimy kilao, araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina, miampy diloilon’ôliva enina litatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary kasia dimy kilao, araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina, miampy diloilon’ôliva enina litatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

sy kasia dimam-jato, araka ny sekely masina, ary diloilon’oliva eran’ny hina;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masina, ary diloilon'oliva eran'ny hina;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

kasia dimanjato, araka ny sekela masina, ary diloilon’oliva eran’ny hina*;

Jereo ny toko



Eksodosy 30:24
8 Rohy Ifampitohizana  

Tia ny rariny Ianao, fa mankahala ny heloka; ka noho izany, Andriamanitra, Andriamanitrao nanosotra anao tamin’ny diloilom-piravoravoana, mihoatra noho ny namanao.


Miaraka amin’ny ondry voalohany, hatolotrao koa ny lafarina tsara indrindra, ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilon’ny ôliva, voatoto, ampahefatry ny hina, ary divay ampahefatry ny hina ho fanatitra hararaka.


«Makà amin’ny zava-manitra izay tsara indrindra, mira madio dimanjato sikla, ary ny antsasak’izany, dia sinama mamerovero dimampolo sy roan-jato sikla, veromanitra dimampolo sy roan-jato sikla,


ka amboary izany ho diloilo hanaovana ny fanosorana masina; ho zava-manitra voaharoharo araka ny asan’ny mpahay zava-manitra; dia izany no diloilo hanaovana ny fanosorana masina.


Ny mina ao aminareo ho roapolo sikla, 25 sikla, 15 sikla.


Fa mizàna marina, vato-mizàna marina, efah marina, ary hina marina no tano. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta.


hanao fanatitra hararaka, divay hampahefatry ny hina, miaraka amin’ny sorona dorana, na ny sorom-pihavanana, isan-janak’ondry.


dia sikla dimy isan’olona no horaisinao aminy, ka araka ny sikla masina, izay gerà roapolo avy, no handraisanao azy;