Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh, ka nokapohin’i Iaveh izy, noho izy naninji-tanana tamin’ny fiara, dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Ozà.
Eksodosy 30:20 - Baiboly Katolika Fa hiàfana amin’io rano io izy mba tsy ho faty, na rehefa hiditra amin’ny trano lay fihaonana, na rehefa hanatona ny ôtely hanao ny raharahany hampanetona sorona amin’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa hiditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo dia hisasa amin’ny rano mba tsy ho faty; tahaka izany, rehefa manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana mba handoro ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izy ireo, DIEM PROTESTANTA alohan’ny hidirany ao amin’ny Tranolay fihaonana na hanatonany ny alitara mba handoro sorona hanetona ho Ahy TOMPO. Amin’izay dia tsy ho faty izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara alohan’ny hidirany ao amin’ny Tranolay fihaonana na hanatonany ny alitara mba handoro sorona hanetona ho Ahy TOMPO. Amin’izay dia tsy ho faty izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Raha miditra amin’ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin’ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, Malagasy Bible Raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin'ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, La Bible en Malgache Rehefa hiditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo dia hisasa amin’ny rano mba tsy ho faty; tahaka izany, rehefa manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana mba handoro ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izy ireo, |
Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh, ka nokapohin’i Iaveh izy, noho izy naninji-tanana tamin’ny fiara, dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Ozà.
Fa iza any an-danitra no hitaha amin’i Iaveh? Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra no manahaka an’i Iaveh?
«Hafitoana ianareo hihinana mofo tsy misy lalivay; ka vao amin’ny andro voalohany, dia foany lalivay ny tranonareo; fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahafito, dia hofongorana tsy ho eo amin’i Israely.
Hanasa ny tongony aman-tanany izy, ka tsy ho faty izy. Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany, dia ho an’i Aarôna sy ny taranany amin’ny taona mifandimby.»
Ny tonîka masina vita amin’ny rongony madinika no hiakanjoany, kalisaona rongony madinika no hataony manolo-koditra, fehinkibo rongony madinika no hietràny ary hamama rongony madinika no hisatrohany; ireo fanamiana masina ireo no hitafiany rehefa avy nandro tamin’ny rano izy.
Niaraka tamin’izay dia lavo teo an-tongony izy, ka afaka ny ainy. Ary nony tafiditra ny tovolahy, dia hitany fa maty izy, ka nentiny naleviny tany anilan’ny lahy.
Nony nandre izany teny izany i Anania dia lavo, ka afaka ny ainy; ary raiki-tahotra izay tsy izy izay rehetra nandre izany.
Nokapohin’i Iaveh ny olona tao Bety-Samesy, fa nijerijery foana ny Fiaran’i Iaveh, ka olona fitopolo sy dimy alina no novonoiny tamin’ny vahoaka. Dia nisaona fatratra ny vahoaka noho ny namelezan’i Iaveh ny vahoaka tamin’ny loza mafy.