Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 3:21 - Baiboly Katolika

«Hataoko mahita fitia eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity, hany ka tsy hitondra tanam-polo ianareo, rehefa handeha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hataoko mahita fitia eo imason’ny Ejiptiana ity firenena ity, koa rehefa mandeha ianareo dia tsy mba handeha tanam-polo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Homeko tombontsoa eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity ka tsy hitondra tanam-polo mody.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Homeko tombontsoa eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity ka tsy hitondra tanam-polo mody.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hataoko mahita fitia eo imason’ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha hianareo, dia tsy mba handeha maina;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hataoko mahita fitia eo imason'ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy mba handeha maina;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hataoko mahita fitia eo imason’ny Ejiptiana ity firenena ity, koa rehefa mandeha ianareo dia tsy mba handeha tanam-polo.

Jereo ny toko



Eksodosy 3:21
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rehefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be.


Nomban’i Iaveh anefa i Josefa sady nanamparany ny hatsaram-pony, ary nampahazoany fitia tamin’ny mpitandrina ny tranomaizina.


avelao ny fahotan’ny vahoakanao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ataovy mangoraka azy, ireo namabo azy, ka hamindra fo aminy;


Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.» Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.


Dia nentiny nivoaka ny vahoakany nitondra volafotsy sy volamena, ary tsy nisy nangozohozo tamin’ireo fokony, na dia iray aza.


ary nataony nahita famindram-po aminy izy ireo, teo anatrehan’izay rehetra nitana azy ho babo.


Koa ilazao ny vahoaka mba samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena avy, ny lehilahy amin’ny lehilahy mifanolotra aminy; ny vehivavy amin’ny vehivavy mifanolotra aminy.»


Dia nataon’i Iaveh nahita fitia teo imason’ny Ejiptianina ny vahoaka; ary i Môizy aza dia tonga nanan-kaja indrindra tany an-tany Ejipta, na tamin’ny mpanompon’i Faraôna na tamin’ny vahoaka.


«Nanao araka ny voalazan’i Môizy taminy ny zanak’i Israely, fa nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ny Ejiptianina izy ireo.


Dia nataon’i Iaveh nahita fitia teo imason’ny Ejiptianina ny vahoaka, ka nahazo izay nangatahiny. Nanongaka babo tamin’ny Ejiptianina izy ireo.


Raha sitrak’i Iaveh ny lalan’ny olona, na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.


Fa noesoriny tamin’ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mbamin’izay rehetra tao an-dapany.


Ary rehefa alefanao aminao izy, dia aza alefa hiala maina,