«Ny fidirana ao amin’ny lay, dia anaovy efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin’ny soratra maro samihafa.
Eksodosy 29:4 - Baiboly Katolika «Dia ampandrosoy i Aarôna sy ireo zanany ho eo amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana, ka ampandroy amin’ny rano izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ento kosa i Arona sy ny zanany hankeo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka ampandroy amin’ny rano. DIEM PROTESTANTA «Ento hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana i Aharôna sy ireo zanany lahy, dia ampandroy amin’ny rano fandroana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Ento hankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana i Aharôna sy ireo zanany lahy, dia ampandroy amin’ny rano fandroana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Arona sy ny zanany dia ento hankeo amin’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ny rano izy. Malagasy Bible Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy La Bible en Malgache Ary ento kosa i Arona sy ny zanany hankeo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* ka ampandroy amin’ny rano. |
«Ny fidirana ao amin’ny lay, dia anaovy efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin’ny soratra maro samihafa.
Ataovy an-tsobika iray ihany izy, dia atero izany ao anatin’ny sobika miaraka amin’ny vantotr’ombalahy iray sy ny ondralahy roa.»
Hasainao handroso ho eo akaikin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana i Aarôna sy ireo zanany, ka hanadio azy amin’ny rano ianao.
Rehefa hiditra ao an-trano lay fihaonana sy hanatona ny ôtely izy ireo, dia nisasa, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra, ataoko afaka aminareo.
Rehefa tafiditra ao ny mpisorona dia tsy hiala ao amin’ny fitoerana masina izy mba ho ao amin’ny kianja ivelany, raha tsy efa navelany ao ny fitafiana nentiny nanao ny fanompoana; fa masina izany fitafiana izany. Miova fitafiana aloha izy, vao manatona mankao amin’ny raharaha momba ny vahoaka.»
Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.
Hasainao mandroso eo anoloan’ny trano lay fihaonana ny Levita, ary hovorìnao ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.
fa handro amin’ny rano izy nony harivariva ary hahazo miditra ny toby rehefa maty masoandro.
dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasana nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,
dia aoka isika hanatona amin’ny fo mahitsy sy amim-pinoana feno, ary amin’ny fo voafafy ho afaka amin’ny fieritreretana mipentina ota, sy amin’ny vatana voasasa tamin’ny rano madio.
Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io, sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra, no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,