Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 27:4 - Baiboly Katolika

Ary manaova karakara varahina miendri-karato ho an’ny ôtely ka asio masom-barahina efatra ny zorony efatra amin’io harato io,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manamboara mason-drojo varahina efatra hatao eo ambonin’ny harato eo amin’ny zorony efatra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hisy makarakara halimo miendrika harato hamboarina; ary haba halimo iray no hapetaka isaky ny zorony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hisy makarakara halimo miendrika harato hamboarina; ary haba halimo iray no hapetaka isaky ny zorony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin’ny harato eo amin’ny zorony efatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin'ny harato eo amin'ny zorony efatra,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manamboara mason-drojo varahina efatra hatao eo ambonin’ny harato eo amin’ny zorony efatra.

Jereo ny toko



Eksodosy 27:4
6 Rohy Ifampitohizana  

Handrendrika masom-bolamena efatra hatao aminy ianao, hapetaka amin’ny tongony efatra; ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray, ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray.


Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny ôtely ianao, ary sotron’afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahina avokoa ireo fanaka ireo.


dia apetraho eo ambanin’ny koronosin’ny ôtely avy ao ambany ary ho tonga hatreo amin’ny fisasahan’ny ôtely ny harato;


ny ôtely fanaovan-tsorona dorana mbamin’ny harato varahina aminy, ny baony, ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy amam-paladiany,


Ny natao tamin’ireo dia faladia eo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ny ôtely varahina mbamin’ny karakara varahina sy ny fanaka rehetra momba ny ôtely, ny faladian’ny fefin’ny kianja sy ny faladian’ny vavahadin’ny kianja ary ny tsimatra rehetra amin’ny Fonenana sy ny tsimatra rehetra amin’ny fefin’ny kianja.