Hasianao takela-bolamena izy ao anatiny sy ao ivelany, ary hasianao tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.
Eksodosy 26:37 - Baiboly Katolika Hanaovanao andry akasià dimy io varavarana lamba io, ka petahanao takela-bolamena ny andry sy asianao faraingo volamena; ary handrendrika varahina hatao faladiany dimy ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ny varavarana lamba ka petaho takelaka volamena ireny; ho volamena koa ny fihantonany, ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany. DIEM PROTESTANTA Hisy andry dimy hatao amin’ny hazo mimôzà, sady horakofana takela-bolamena, ka eo no hanantonana io varavarana lamba io amin’ny farango volamena. Faladia halimo dimy no harendrika hitsatohan’ireo andry ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hisy andry dimy hatao amin’ny hazo mimôzà, sady horakofana takela-bolamena, ka eo no hanantonana io varavarana lamba io amin’ny farango volamena. Faladia halimo dimy no harendrika hitsatohan’ireo andry ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany. Malagasy Bible Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin'ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany. La Bible en Malgache Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ny varavarana lamba ka petaho takelaka volamena ireny; ho volamena koa ny fihantonany, ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany. |
Hasianao takela-bolamena izy ao anatiny sy ao ivelany, ary hasianao tanjo-miolaka volamena ny manodidina azy.
Nanaovana andriny dimy mbamin’ny faraingony avy io varavarana lamba io, ary voapetaka takela-bolamena ny koronosin’ireo mbamin’ny anjaka itohizany, ary varahina ny faladiany dimy.
Ny natao tamin’ireo dia faladia eo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ny ôtely varahina mbamin’ny karakara varahina sy ny fanaka rehetra momba ny ôtely, ny faladian’ny fefin’ny kianja sy ny faladian’ny vavahadin’ny kianja ary ny tsimatra rehetra amin’ny Fonenana sy ny tsimatra rehetra amin’ny fefin’ny kianja.