Eksodosy 24:17 - Baiboly Katolika Toy ny afo midedadeda teo antampon-tendrombohitra no fisehon’ny voninahitr’i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tahaka ny afo mandevona no fijery ny voninahitry NY TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra teo imason’ny Zanak’Israely. DIEM PROTESTANTA Toy ny afo mandevona no fahitàn’ny Israelita ny voninahitry ny TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy ny afo mandevona no fahitàn’ny Israelita ny voninahitry ny TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fijery ny voninahitr’i Jehovah teo an-tampon’ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ny Zanak’Isiraely. Malagasy Bible Ary ny fijery ny voninahitr'i Jehovah teo an-tampon'ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason'ny Zanak 'Isiraely. La Bible en Malgache Ary tahaka ny afo mandevona no fijery ny voninahitry NY TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra teo imason’ny Zanak’Israely. |
ka nivoa-tsetroka ny vavorony, nivoaka afo mandevona ny vavany, ary nisy vain’afo mivaivay nipitika avy ao aminy.
Aoka ho voaomana amin’ny andro fahatelo izy, fa hidina eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia, eo imason’ny vahoaka rehetra i Iaveh, amin’ny andro fahatelo.
Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan’i Iaveh nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.
Ny Anjelin’i Iavehniseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo, teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo. Hitan’i Môizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo.
Tao anatiny sy tao amin’ny manodidina dia nisy hitako hoatra ny zavatra miendri-metaly, tahaka ny afo no fijery azy, hatramin’izay niseho ho tahaka ny valahany no ho miakatra; ary hatramin’izay niseho ho toa valahany no ho midina kosa dia nisy zavatra hitako, toy ny afo no fijery azy, ary nisy famirapiratana manodidina azy.
Hoatra ny fijery ny avana eny amin’ny rahona, amin’ny andro misy orana, no fijery ny famirapiratana nanodidina azy. Toy izany no fijery ny sarin’ny voninahitr’i Iaveh. Nony nahita izany aho, dia lavo, niankohoka tamin’ny tany, nandre feon’olona niteny.
Iza no mahatoetra eo anoloan’ny fahavinirany? Zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Mitatra toy ny afo ny fahatezerany, ary mitresaka eo anoloany ny vatolampy.
Nampandre anao ny feony avy any an-danitra hampianatra anao Izy, sy nampiseho anao ny afony lehibe teto an-tany; ary nandre ny teniny tao anatin’ny afo ianao.
Koa aoka ho fantatrao anio, fa i Iaveh Andriamanitrao, no hita eo alohanao, toy ny afo mandevona, Izy no handringana azy ireny, Izy no hampietry azy eo anoloanao, dia handroaka azy ianao sy handringana azy haingana, araka ny voalazan’i Iaveh taminao.
Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra,