Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 24:15 - Baiboly Katolika

Niakatra tao an-tendrombohitra i Môizy, ary nosaronan’ny rahona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niakatra tao amin’ny tendrombohitra i Mosesy, ary ny rahona dia nanarona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha mbola nandroso niakatra ny tendrombohitra i Mosesy, dia rakotry ny rahona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha mbola nandroso niakatra ny tendrombohitra i Mosesy, dia rakotry ny rahona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niakatra tao amin’ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niakatra tao amin'ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niakatra tao amin’ny tendrombohitra i Mosesy, ary ny rahona dia nanarona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko



Eksodosy 24:15
6 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia hoy i Salômôna: «Tian’i Iaveh ny mitoetra eo amin’ny haizina.


Nony marainan’ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina tao an-tendrombohitra, ary nisy feon’ny anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.


Nidina i Iaveh nankeo an-tendrombohitra Sinaia, dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany; ary i Iaveh niantso an’i Môizy ho eo an-tampon’ny tendrombohitra, dia niakatra i Môizy.


Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro fa hankeo aminao ao anatin’ny rahona matevina Aho, mba ho ren’ny olona rehefa miteny aminao Aho, dia hinoany anao mandrakariva koa.» Ary nolazain’i Môizy tamin’i Iaveh ny tenin’ny vahoaka.


Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinaia ny voninahitr’i Iaveh ka saron’ny rahona io nandritra ny henemana. Tamin’ny andro fahafito dia nantsoin’i Iaveh i Môizy, tao anatin’ny rahona.


Fa raha mbola niteny Izy, dia indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo. Ary injao nisy feo avy tamin’io rahona io nanao hoe: «Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy Izy.»