Raha noana ny fahavalonao, omeo mofo hohaniny, raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
Eksodosy 23:5 - Baiboly Katolika Raha hitanao mihonaka ao ambanin’ny entany ny ampondran’izay mankahala anao, dia aza ilaozanao izy, fa miraisa hina aminy hanala ny entany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha hitanao lavo voatsindrin’ny entana ny borikin’izay mankahala anao dia aza malaina hamonjy azy fa ampionao izy hamaha izany. DIEM PROTESTANTA Raha hitanao ny borikin’izay mankahala anao fa mihohaka eo ambanin’ny entana entiny, dia aza ilaozana fotsiny ilay olona fa ampio izy hanarina ny bibiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha hitanao ny borikin’izay mankahala anao fa mihohaka eo ambanin’ny entana entiny, dia aza ilaozana fotsiny ilay olona fa ampio izy hanarina ny bibiny. Baiboly Protestanta Malagasy Raha hitanao ny borikin’izay mankahala anao mihonaka ao ambanin’ny entany, dia aza malaina hamonjy azy hianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa. Malagasy Bible Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa. La Bible en Malgache Raha hitanao lavo voatsindrin’ny entana ny borikin’izay mankahala anao dia aza malaina hamonjy azy fa ampionao izy hamaha izany. |
Raha noana ny fahavalonao, omeo mofo hohaniny, raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny;
«Raha mahita omby na ondry mania an’ny rahalahinao ianao, dia aza ihodiviranao, fa avereno any amin’ny rahalahinao izany.
«Raha hitanao lavo eny an-dalana ny ampondra na ombin’ny rahalahinao, dia aza ihodiviranao, fa tsy maintsy manampy azy mihitsy ianao hanarina ny lavo.