Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 21:29 - Baiboly Katolika

Raha omby efa nanoto hatramin’ny ela anefa sady efa nilazana izany ny tompony, nefa tsy mitandrina azy, dia hotoraham-bato ny omby, raha mahafaty lehilahy na vehivavy, ary atao maty koa ny tompony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy ka nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby ary ny tompony koa dia hovonoina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa, raha tàhiny efa zatra manoto ilay ombilahy ary efa nampandrenesina ny tompony fa tsy nanara-maso azy, ka nahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty ilay ombilahy ary hovonoina ho faty koa ny tompony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa, raha tàhiny efa zatra manoto ilay ombilahy ary efa nampandrenesina ny tompony fa tsy nanara-maso azy, ka nahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty ilay ombilahy ary hovonoina ho faty koa ny tompony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin'ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy ka nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby ary ny tompony koa dia hovonoina.

Jereo ny toko



Eksodosy 21:29
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tanan’olombelona izay mpirahalahy, no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.


«Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia ny omby no hotoraham-bato sy tsy hohanin-kena, fa ny tompony ho afaka.


Raha vidin’aina no asaina ataon’ny tompon’ny omby dia haloany izay didiana haloany.


Raha fantatra anefa fa efa mpanoto hatramin’ny ela ilay omby fa tsy nitandrina azy ihany ny tompony, dia hanonitra izy, hoefainy omby ny omby, fa ny omby maty no ho azy.»