Nony tafaverina tao Hebrôna dia nentin’i Jôaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin’ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin’ny ran’i Asaela, rahalahin’i Jôaba.
Eksodosy 21:14 - Baiboly Katolika Fa raha misy kosa lehilahy nanao an-kasomparana amin’ny namany hamonoany azy an-kafetsena, na mby eo amin’ny ôtely aza, tsoahy eo ka vonoy ho faty. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha misy olona mivonona hamono ny namany amin’ny hafetsena dia halainao izy, na dia eo amin’ny alitarako aza, ka hovonoina ho faty. DIEM PROTESTANTA Fa raha tàhiny kosa fanahy iniana no namonoany ilay anankiray tamin’ny fitaka, dia hosamborinareo izy ka hovonoinareo ho faty na dia mandositra eo akaikin’ny alitarako aza. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha tàhiny kosa fanahy iniana no namonoany ilay anankiray tamin’ny fitaka, dia hosamborinareo izy ka hovonoinareo ho faty na dia mandositra eo akaikin’ny alitarako aza. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha misy olona avy sahisahy amin’ny namany hamono azy amin’ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin’ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty. Malagasy Bible Ary raha misy olona avy sahisahy amin'ny namany hamono azy amin'ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin'ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty. La Bible en Malgache Ary raha misy olona mivonona hamono ny namany amin’ny hafetsena dia halainao izy, na dia eo amin’ny alitarako aza, ka hovonoina ho faty. |
Nony tafaverina tao Hebrôna dia nentin’i Jôaba nihataka kely tao anaty vavahady, toy ny hiresaka aminy moramora; kanjo nony mby tao, nofatsahany tamin’ny kibony izy; dia maty izy noho ny amin’ny ran’i Asaela, rahalahin’i Jôaba.
Tamin’izay i Jôiadà mpisorona nanome didy ny tompon-jato mpifehy ny foloalindahy ary nilaza taminy hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharanareo hivoaka ny trano, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza.» Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: «Aza vonoina eto an-tranon’i Iaveh izy.»
Izay mivesatra ny ran’olona nalatsany, dia mandositra hatrany an-davaka: Aza misakana azy.
Raha namely vy olona izy ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona.
Nilaza taminareo aho; fa tsy nohenoinareo, notsipahinareo ny tenin’i Iaveh, be hambo loatra ianareo ka niakatra ny tendrombohitra.
Rehefa miteny amin’ny Anaran’i Iaveh ny mpaminany, nefa tsy tonga, ary tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia izany no teny tsy nolazain’i Iaveh: fiavonavonana no nilazan’ny mpaminany izany; aza matahotra azy ianao.
Aoka ho voaozona izay mamono an-takona ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony;
indrindra fa ireo manaram-po amin’ny filàn-dratsin’ny nofo, sy manamavo ny Fahandrianana. Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo Voninahitra akory,