Eksodosy 20:21 - Baiboly Katolika Dia nijanona teny lavitra teny ihany ny vahoaka, fa i Môizy no nanatona ny rahona izay nisy an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nijanona teny lavitra teny ny olona, fa i Mosesy kosa dia nanakaiky ny haizim-pito izay nitoeran’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Dia nijanona teny lavitra teny ny Israelita, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona matevina izay nisy an’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nijanona teny lavitra teny ny Israelita, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona matevina izay nisy an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran’Andriamanitra. Malagasy Bible Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra. La Bible en Malgache Dia nijanona teny lavitra teny ny olona, fa i Mosesy kosa dia nanakaiky ny haizim-pito izay nitoeran’Andriamanitra. |
Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.
Ny haizina no nataony fitoerany mangingina, ny lainy manodidina Azy dia rano maizina sy rahona manjombona.
nisy setroka nisavoana avy ao am-bavorony, sy afo mandevona nivoaka avy any am-bavany; ary vainafo midedadeda nipoitra avy eo aminy.
Rahona aman’aloka no manodidina Azy, rariny sy hitsiny no iorenan’ny seza fiandrianany.
Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy, dia nantsoin’i Iaveh tao antampon-tendrombohitra izy, ka nilazany hoe: «Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely:
Koa ankehitriny nahoana no dia ho faty izahay? Fa ho levon’io afo lehibe io izahay, ary ho faty izahay, raha mbola mandre ny feon’i Iaveh Andriamanitsika indray.»
ary nitsangana teo anelanelan’i Iaveh sy ianareo aho tamin’izay, mba hitondra aminareo ny teniny, fa natahotra ny afo ianareo ka tsy niakatra tany an-tendrombohitra. Izao no nolazainy:
Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.