Nony efa lehibe ny zaza dia nentiny tany amin’ny zanaka vavin’i Faraôna, ka nataony toy ny zanany, sy nomeny anarana hoe Môizy, fa «teo amin’ny rano no nanalako azy», hoy izy.
Eksodosy 2:21 - Baiboly Katolika Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy i Môizy ka nomen’io ho vadiny i Sefôrà zanany vavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dRalehilahy. Koa i Zipora zanany vavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy. DIEM PROTESTANTA Nanaiky hipetraka tao amin’i Rehoela io i Mosesy. Nomen’ilay rangahy ho vadin’i Mosesy i Tsipôrà zanany vavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanaiky hipetraka tao amin’i Rehoela io i Mosesy. Nomen’ilay rangahy ho vadin’i Mosesy i Tsipôrà zanany vavy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zanani-vavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy. Malagasy Bible Ary sitrak'i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin'i Mosesy. La Bible en Malgache Ary sitrak’i Mosesy ny hitoetra tao amin-dRalehilahy. Koa i Zipora zanany vavy dia nomeny ho vadin’i Mosesy. |
Nony efa lehibe ny zaza dia nentiny tany amin’ny zanaka vavin’i Faraôna, ka nataony toy ny zanany, sy nomeny anarana hoe Môizy, fa «teo amin’ny rano no nanalako azy», hoy izy.
Dia hoy izy tamin’ireo zanany vavy: «Aiza izy izany? Nahoana no avelanareo any izany lehilahy izany? Antsoy izy hihinan-kanina.»
Ary i Môizy niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiàna. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Horeba, izy.
Dia lasa i Môizy. Nony tafaverina tany amin’i Jetrô rafozany izy, dia hoy izy taminy: «Masìna ianao, avelao kely aho hiverina any amin’ireo rahalahiko any Ejipta, mba hizaha raha mbola velona ihany izy.» Ary hoy i Jetrô tamin’i Môizy: «Mandehana amim-piadanana.»
Ary hoy i Môizy tamin’i Hobaba zana-dRagoela, Madianita, rafozan’i Môizy: «Ny dianay izao, dia ho any amin’ny tany nolazain’i Iaveh hoe: Homeko anareo izy. Koa andeha hiaraka aminay, fa hasiany soa ianao, satria i Iaveh efa nampanantena ny hanisy soa an’i Israely.»
Ary i Maria mbamin’i Aarôna nanome tsiny an’i Môizy noho ny amin’ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy kosita izy.
Dia nandositra i Môizy nony nahare izany teny izany, ka nivahiny tany amin’ny tany Madiàna, ary niteraka zanaka roa lahy tany.»
fa naleony miaraka ory amin’ny vahoakan’Andriamanitra toy izay miarana amin’ny hafaliana mandalon’ny fahotana;
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
ary ny manan-karena kosa, hanao ny fietreny ho voninahiny, fa hihelina toy ny vonin’ny ahitra izy.