Nidina tany an-tendrombohitra Sinaia Ianao, ka niteny tamin’izy ireo, avy any ambonin’ny lanitra, ary nanome azy fitsipika mahitsy, lalàm-pahamarinana, lalàna aman-didy lavorary.
Eksodosy 19:19 - Baiboly Katolika Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara. Ary niteny i Môizy, ka namaly feo azy Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nitatatata. Dia niteny i Mosesy ary Andriamanitra namaly azy tao anatin’ny kotroka. DIEM PROTESTANTA Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin’Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin’Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy. Malagasy Bible Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy. La Bible en Malgache Nihamafy hatrany ny feon’ny anjomara sady nitatatata. Dia niteny i Mosesy ary Andriamanitra namaly azy tao anatin’ny kotroka. |
Nidina tany an-tendrombohitra Sinaia Ianao, ka niteny tamin’izy ireo, avy any ambonin’ny lanitra, ary nanome azy fitsipika mahitsy, lalàm-pahamarinana, lalàna aman-didy lavorary.
Tsy hokasihin-tanana io, fa hotoraham-bato na hotrobarana ny zana-tsipîka: na biby na olona izy tsy azo velomina. Rehefa maneno ny trômpetra dia hiakatra ho eo an-tendrombohitra izy ireo.»
Nony marainan’ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina tao an-tendrombohitra, ary nisy feon’ny anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.
Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy Aho, fa tsy aman’ohatra, dia mijery ny Endrik’i Iaveh izy. Koa nahoana àry ianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia i Môizy?»
Nampandre anao ny feony avy any an-danitra hampianatra anao Izy, sy nampiseho anao ny afony lehibe teto an-tany; ary nandre ny teniny tao anatin’ny afo ianao.
Koa ankehitriny nahoana no dia ho faty izahay? Fa ho levon’io afo lehibe io izahay, ary ho faty izahay, raha mbola mandre ny feon’i Iaveh Andriamanitsika indray.»
ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo;
Loza loatra no niseho tamin’izay, ka i Môizy avy no vaky hoe: «Tsiravina sy rano an-dravina aho!»