Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 18:25 - Baiboly Katolika

fa nifidy izay lehilahy mahay tamin’i Israely rehetra izy, ka notendreny teo amin’ny vahoaka ireo ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nofidin’i Mosesy ary izay lehilahy mahay tamin’ny Israely rehetra ka nataony lohan’ny olona hifehy azy, ho mpifehy arivo, ho mpifehy zato, ho mpifehy dimampolo ary ho mpifehy folo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nofidin’i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nofidin’i Mosesy ary izay lehilahy mahay tamin’ny Israely rehetra ka nataony lohan’ny olona hifehy azy, ho mpifehy arivo, ho mpifehy zato, ho mpifehy dimampolo ary ho mpifehy folo.

Jereo ny toko



Eksodosy 18:25
9 Rohy Ifampitohizana  

Aoka honina amin’ny tany Gesena izy. Ary raha mahita lehilahy mahay amin’izy ireo ianao, tendreo izy ho mpitandrina ny biby fiompiko.»


Notsapain’i Davida ny toetry ny vahoaka tao aminy, ka nasiany tomponarivo sy tompon-jato.


Ary ankehitriny dia ifidiano lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, ao amin’ny vahoaka rehetra, lehilahy marina sy tsy tia kolikoly, ka ireny no atsangano ho tomponarivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimampolo ama-mpifehy folo, hitondra azy ireo.


Neken’i Môizy ny tenin-drafozany ary nataony avokoa izay nolazainy;


Ireo no voafidy tamin’ny fiangonana. Lohan’ny firenena avy amin’ny razany izy sy mpifehy arivo amin’i Israely.»


ary lehilahy iray avy, amin’ny isam-pokony, izay filohan’ny fokom-pianakaviany avy, no hiaraka aminareo.»


Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Anangony 70 lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ao amin’ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao.


Nankasitrahin’ny olona rehetra izany teny izany, ka dia nofidiny i Etienina lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, i Filipo, i Prôkôra, i Nikanôra, i Timôna, i Parmenasy, ary i Nikôlà, prôselita avy any Antiôkia.


Dia naka ny lohan’ny fokonareo aho, izay olon-kendry sy hita toetra ka nataoko mpifehy anareo, ho tomponarivo, tompon-jato, mpifehy dimampolo, mpifehy folo, ary ho mpitsara amin’ny fokonareo.