Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 18:13 - Baiboly Katolika

Nony ampitso nipetraka hitsara ny vahoaka i Môizy, ka nitsangana teo anatrehany, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva, ny vahoaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona i Mosesy, ary nijoro teo anatrehan’i Mosesy hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva ny olona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nony ampitso dia nipetraka mba hitsara ny adin’ny vahoaka i Mosesy. Nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro dia nijajirika teo ny olona mba hahazo miseho eo anatrehan’i Mosesy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony ampitso dia nipetraka mba hitsara ny adin’ny vahoaka i Mosesy. Nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro dia nijajirika teo ny olona mba hahazo miseho eo anatrehan’i Mosesy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan’i Mosesy ny olona hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan'i Mosesy ny olona hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona i Mosesy, ary nijoro teo anatrehan’i Mosesy hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva ny olona.

Jereo ny toko



Eksodosy 18:13
9 Rohy Ifampitohizana  

Raha nivoaka ho eo am-bavahadin’ny tanàna aho, ka nianina nipetraka teo amin’ny kianja;


Dia nanolotra sorona dorana sy fanatitra tamin’Andriamanitra i Jetrô, rafozan’i Môizy. Ary i Aarôna mbamin’ny loholon’i Israely rehetra dia tonga niara-nisakafo tamin’ny rafozan’i Môizy avokoa teo anatrehan’Andriamanitra.


Nony nahita izay rehetra nataon’i Môizy tamin’ny vahoaka ity rafozany, dia nanao hoe: «Inona ity ataonao amin’ireo olona ireo? Nahoana no ianao irery no mipetraka hitsara, ary ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva?»


Tafaorina amin’ny famindram-po ny seza fiandrianana, ary ny hipetraka amin’izany seza fiandrianana izany, araka ny fahamarinana, eo an-dain’i Davida, dia ny mpitsara anankiray mikendry ny rariny, ary mazoto hampijoro ny fahamarinana.


nanao hoe: «Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;


itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra; ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana; ny iray kosa mifehy, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana, ary ny hafa koa manao asa fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana.


Noho izany ihany koa no andoavanareo hetra; fa mpanao raharahan’Andriamanitra ny mpifehy, milozoka amin’izay raharahany.


Ianareo izay mitaingina ampondravavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin’ny karipetra, ary ianareo izay mizotra eny an-dalana, mihirà ianareo.