Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 17:15 - Baiboly Katolika

Dia nanorina ôtely i Môizy, ka nomeny anarana hoe: Iaveh-Nesi.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanorina alitara i Mosesy ka ny anarany nataony hoe: NY TOMPO Nisỳ.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe «Ny TOMPO fanevako».

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe «Ny TOMPO fanevako».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisì.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanorina alitara i Mosesy ka ny anarany nataony hoe: NY TOMPO Nisỳ.

Jereo ny toko



Eksodosy 17:15
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.


Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’i Iaveh izy teo, ka niantso ny anaran’i Iaveh.


Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io fitoerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitr’i Iaveh.


Ary nanangana ôtely teo izy, ka nomeny anarana hoe: El-Elohe-Israely.


Efa nampihorohoro ny tany Ianao, nandrotika azy, dia amboary ny banga aminy fa mihozongozona izy.


Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’i Iaveh. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina ôtely teo ampototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangam-bato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo.


«Hanao ôtely amin’ny hazo akasià ianao: dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny sakany, ka hitovy efatra ny lafiny, ary telo hakiho ny haavony.


Nony nahita izany i Aarôna dia nanao ôtely teo anoloan’ilay sary ka niantso hoe: «Hisy fety fankalazana an’i Iaveh rahampitso.»


Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’i Iaveh ka nantsoiny hoe: Iaveh-Saloma; mbola ao Efràn’i Abiesera izany mandraka androany.