Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 17:12 - Baiboly Katolika

Nony efa vizana ny tanan’i Môizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary i Aarôna sy i Hora kosa nanohana ny tanany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka ny tanany mandra-pilentiky ny masoandro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa vizana ny tanan’i Mosesy ka naka vato izy roa lahy, nataony teo ambanin’i Mosesy hipetrahany. I Arona sy i Hora dia nanohana ny tanany, koa ny iray dia teo an-daniny ary ny iray dia teo an-kilany; dia naharitra tsy ketraka intsony ny tanany mandra-pahafatin’ny masoandro.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nony vizaka ireo sandrin’i Mosesy, dia nalain’i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan’i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin’io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nony vizaka ireo sandrin’i Mosesy, dia nalain’i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan’i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin’io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa efa vizana ny tànan’i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ny anila, ary ny iray kosa tamin’ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin’ny masoandro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa efa vizana ny tanan'i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin'i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin'ny anila, ary ny iray kosa tamin'ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin'ny masoandro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa vizana ny tanan’i Mosesy ka naka vato izy roa lahy, nataony teo ambanin’i Mosesy hipetrahany. I Arona sy i Hora dia nanohana ny tanany, koa ny iray dia teo an-daniny ary ny iray dia teo an-kilany; dia naharitra tsy ketraka intsony ny tanany mandra-pahafatin’ny masoandro.

Jereo ny toko



Eksodosy 17:12
15 Rohy Ifampitohizana  

Tsoahy ny lefona, sakano lalana izay manenjika ahy; lazao amin’ny fanahiko hoe: «Izaho no famonjena anao.»


Raha nasandratr’i Môizy ny tanany dia i Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tanany, i Amaleka no nahomby.


Dia resin’i Jôsoe tamin’ny lelan-tsabatra i Amaleka sy ny olony.


Hoy izy tamin’ireo loholona: «Andraso eto izahay mandra-piverinay atỳ aminareo. Ary indreo i Aarôna sy i Hora eto aminareo, ka raha misy manana ady dia aoka hanatona azy ireo.»


Hatanjaho ny tanana osa, herezo ny lohalika mangozohozo!


indrindra fa raha manampy anay amin’ny fivavahana koa ianareo; dia ho maro ny mpisaotra noho ny fahasoavana azonay, satria maro no nangataka nahazoanay azy.


Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;


Satria fantatro fa hody ho famonjena ahy izany, noho ny fivavahanareo sy noho ny fitahian’ny Fanahin’i Kristy;


Mahareta amin’ny fivavahana; ataovy amim-piambenana sy fisaorana izany.


Mivavaha ho anay, ry kristianina havana!


Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka;


Aoka anefa, hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala; fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin’ny rivotra.


Tsy nahemotr’i Jôsoe ny tanany natsotrany sy ny lefona mandra-panaovany anatema ny mponina rehetra tao Haia.