Eksodosy 17:11 - Baiboly Katolika Raha nasandratr’i Môizy ny tanany dia i Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tanany, i Amaleka no nahomby. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nasandratr’i Mosesy ny tanany dia nahery ny Israelita; fa rehefa nampidininy ny tanany dia nahery kosa ny Amalekita. DIEM PROTESTANTA Ary raha mbola nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary raha mbola nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha nasandratr’i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita. Malagasy Bible Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita. La Bible en Malgache Rehefa nasandratr’i Mosesy ny tanany dia nahery ny Israelita; fa rehefa nampidininy ny tanany dia nahery kosa ny Amalekita. |
Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin’ny andro niainako, efa voaangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko; moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokinao ireny?
Dia nataon’i Jôsoe izay nandidian’i Môizy azy, dia niady tamin’i Amaleka izy; fa i Môizy sy i Aarôna ary i Hora kosa niakatra tany an-tampon’ny havoana.
Nony efa vizana ny tanan’i Môizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary i Aarôna sy i Hora kosa nanohana ny tanany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka ny tanany mandra-pilentiky ny masoandro.
Ary nanao fanoharana tamin’izy ireo koa Izy, momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana.
Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.
Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
Tsy nahemotr’i Jôsoe ny tanany natsotrany sy ny lefona mandra-panaovany anatema ny mponina rehetra tao Haia.