Eksodosy 17:10 - Baiboly Katolika Dia nataon’i Jôsoe izay nandidian’i Môizy azy, dia niady tamin’i Amaleka izy; fa i Môizy sy i Aarôna ary i Hora kosa niakatra tany an-tampon’ny havoana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanatanteraka izay nolazain’i Mosesy taminy i Josoa ka niady tamin’ny Amalekita. Fa i Mosesy sy i Arona ary i Hora kosa dia niakatra ho ao an-tampon’ny havoana. DIEM PROTESTANTA Dia lasa i Josoa niady tamin’ny Hamalekita araka izay efa nandidian’i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon’ny havoana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia lasa i Josoa niady tamin’ny Hamalekita araka izay efa nandidian’i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon’ny havoana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy, ka niady tamin’ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon’ny havoana. Malagasy Bible Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana. La Bible en Malgache Ary nanatanteraka izay nolazain’i Mosesy taminy i Josoa ka niady tamin’ny Amalekita. Fa i Mosesy sy i Arona ary i Hora kosa dia niakatra ho ao an-tampon’ny havoana. |
Raha nasandratr’i Môizy ny tanany dia i Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tanany, i Amaleka no nahomby.
Nony efa vizana ny tanan’i Môizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary i Aarôna sy i Hora kosa nanohana ny tanany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka ny tanany mandra-pilentiky ny masoandro.
Hoy izy tamin’ireo loholona: «Andraso eto izahay mandra-piverinay atỳ aminareo. Ary indreo i Aarôna sy i Hora eto aminareo, ka raha misy manana ady dia aoka hanatona azy ireo.»
«Aoka ho fantatrao fa efa nantsoiko tamin’ny anarany i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Jodà.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy mpanompony dia nandidian’i Môizy an’i Jôsoe koa, ka notanterahin’i Jôsoe, tsy nisy namelany izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy.