Tao anatin’ny Fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak’i Môizy tao, tany an-tendrombohitra Horeba, fony i Iaveh nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely, tamin’ny nivoahany avy tany amin’ny tany Ejipta.
Eksodosy 16:34 - Baiboly Katolika Dia napetrak’i Aarôna teo anatrehan’ny Vavolombelona izany, mba hotahirizina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nametrahan’i Arona izany teo anatrehan’ny Vavolombelona mba hotahirizina. DIEM PROTESTANTA Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy dia teo anoloan’ny Raki-tsoratry ny fanekempihavanana no napetrak’i Aharôna ilay siny tany misy mana mba hotahirizina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy dia teo anoloan’ny Raki-tsoratry ny fanekempihavanana no napetrak’i Aharôna ilay siny tany misy mana mba hotahirizina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nametrahan’i Arona izany teo anatrehan’ny Vavolombelona mba hotehirizina. Malagasy Bible Ary araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nametrahan'i Arona izany teo anatrehan'ny Vavolombelona mba hotehirizina. La Bible en Malgache Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nametrahan’i Arona izany teo anatrehan’ny Vavolombelona mba hotahirizina. |
Tao anatin’ny Fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak’i Môizy tao, tany an-tendrombohitra Horeba, fony i Iaveh nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely, tamin’ny nivoahany avy tany amin’ny tany Ejipta.
Dia hapetrakao eo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana; ary hapetrakao ao anatin’ny fiara ny vavolombelona izay homeko anao.
Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»
Torotoroy hanjary vovony izy, dia ametraho eo anoloan’ny vavolombelona ao an-trano lay fihaonana izay hihaonako aminao. Ho zava-masina indrindra izany.
Io ôtely io dia hapetrakao manatrika ny efitra lamba izay eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona, manatrika ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny vavolombelona, dia eo amin’izay hihaonako aminao.
Nony tapitra niteny tamin’i Môizy i Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
Ary izao no isan’ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan’ny vavolombelona; ny Levita, notarihin’i Itamara, zanak’i Aarôna, mpisorona no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin’i Môizy.
Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin’ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.
Fa apetraho aminy kosa ny fikarakarana ny Fonenan’ny vavolombelona mbamin’ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy. Izy ireo no hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy; izy no hanao ny fanompoana ao aminy; ary izy no hitoby manodidina ny Fonenana.
Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonenan’ny vavolombelona, mba tsy hipoahan’ny hatezerako ny fiangonan’ny zanak’i Israely, ary ny Levita no hiambina ny Fonenan’ny vavolombelona.»
«Mialà ianareo eo afovoan’ity fiangonana ity, handringanako azy indray mihelina.» Dia niankohoka tamin’ny tany izy.
Nihodina aho, dia nidina avy any an-tendrombohitra, napetrako tao anatin’ilay fiara nataoko ny takelaka, ary nipetraka tao izy araka ny nandidian’i Iaveh ahy.»