Fa tsy nihaino izany izy ireo, fa nanamafy ny hatony, toy ny razany izay tsy nino an’i Iaveh Andriamaniny.
Eksodosy 16:28 - Baiboly Katolika Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalànako? DIEM PROTESTANTA Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalànako? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalànako? Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko? Malagasy Bible Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko? La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalànako? |
Fa tsy nihaino izany izy ireo, fa nanamafy ny hatony, toy ny razany izay tsy nino an’i Iaveh Andriamaniny.
Nolaviny ny lalàny amam-panekempihavanana nataony tamin’ireo razany mbamin’ny teny vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinona izy, ka niraiki-po tamin’ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran’i Iaveh tsy halainy tahaka.
Kanjo kosa izy ireo nalaky nanadio ny asany, tsy niandry ny hanatanterahany izay voakasany.
Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny Hebrio: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hietry eo anatrehako? Alefaso ny vahoakako hanompo Ahy.
Tamin’ny andro fahafito nivoaka haka ihany ny sasany tamin’ny vahoaka saingy tsy nahita.
Jereo ange: noho i Iaveh nanome anareo ny sabata, dia omeny mofo ampy indroa andro ianareo, amin’ny andro fahenina. Koa samia mitoetra eo amin’ny fitoerany ianareo, fa aza misy mivoaka hiala amin’ny toerana misy azy amin’ny andro fahafito.»
Ka hoy i Izaia: «Mihainoa, ry taranak’i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
Ary i Samaria no lohan’i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan’i Samaria. Raha tsy mino ianareo, dia tsy haharitra.»
Ry Jerosalema ô, diovy ho afaka amin’ny ratsy ny fonao, mba hovonjena ianao; mandra-pahoviana no hitoeran’ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
Koa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Indro Aho handrendrika azy amin’ny memy sy hizaha toetra azy; fa inona indray moa no hatao amin’ny zanaka vavin’ny vahoakako?
Nivadika tamiko anefa ny taranak’i Israely, tany an’efitra, tsy nanaraka ny lalàko izy, sady nanary ny didiko, izay ahaveloman’ny olona manaraka azy, ary nametaveta izaitsizy ny sabatako. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo tany an’efitra Aho, mba handringana azy.
noho izy ireo nanary ny didiko, tsy nanaraka ny lalàko, sy nametaveta ny sabatako; fa nanaraka ny sampin-dozany ny fon’izy ireo.
Noho ny haratsiany anefa, nanohitra ny didiko mihoatra noho ny firenena izy, sy ny lalàko mihoatra noho ny tany manodidina azy, satria nanary ny didiko izy, ary tsy nandeha araka ny l?lako.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no haniratsiràn’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany?
Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Noho ianareo tsy nino Ahy, mba hanamasina Ahy, eo imason’ny zanak’i Israely, dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.»
Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony, dia nampifanintontsintona ny zaza, ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory.