Avy any amin’ny lanitra no nanomezanao azy ny mofo hanafa-kanoanana azy; ary avy amim-batolampy no namoahanao ny rano hanala hetaheta azy. Dia nilazanao izy hiditra handray ny tany efa nianiananao homena azy.
Eksodosy 16:14 - Baiboly Katolika Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony niala ny ando matevina dia indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny tany efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany. DIEM PROTESTANTA Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany. Malagasy Bible ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin'ny efitra, madinika toy ny fanala amin'ny tany. La Bible en Malgache Nony niala ny ando matevina dia indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny tany efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany. |
Avy any amin’ny lanitra no nanomezanao azy ny mofo hanafa-kanoanana azy; ary avy amim-batolampy no namoahanao ny rano hanala hetaheta azy. Dia nilazanao izy hiditra handray ny tany efa nianiananao homena azy.
Nangataka izy ireo dia nandefasany papelika, ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy,
Mandatsaka oram-panala, tahaka ny volon’ondry izy, ary mandraraka fanala tahaka ny lavenona.
Mana no nataon’ny taranak’i Israely anaran’io zava-pihinana io; tahaka ny voan-koriandra izy, ary fotsy, ary toy ny mofo misy tantely ny tsirony.
Nampietry tena anao Izy sy namela anao ho noana, ary namahana anao tamin’ny mana, izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao, mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay rehetra mivoaka ny vavan’Andriamanitra no iveloman’ny olona.