Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 16:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Nony niala ny ando matevina dia indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny tany efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 ary nony niala ny ando, dia, indro, nisy zava-madinika boribory teny amin'ny efitra, madinika toy ny fanala amin'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Nony niala ny ando matevina dia indro, nisy zava-madinika boribory teny amin’ny tany efitra, madinika toy ny fanala amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 16:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Mofo avy tany an-danitra no nomenao azy hanafaka ny hanoanany; rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hanala hetaheta azy; ary nilazanao izy fa hiditra haka ny tany izay efa nianiananao homena azy.


Nangataka ireo, dia nandefasany papelika; ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy.


Izy no mandatsaka orampanala toa volon’ondry, sy mamafy fanala toa lavenona,


dia nandrotsahany ny mana ireo ho sakafony, vary avy any an-danitra no nomeny azy.


Nataon’ny Israelita hoe mana ny anaran’izany sakafo izany. Mitovy amin’ny voarafy izy sady fotsy, ary tahaka ny mofo misy tantely ny tsirony.


Rehefa nampanetry tena sy namela anareo ho noana Izy, dia namahana anareo tamin’ny mana izay hanina tsy fantatrareo na ny razanareo; tiany hampahalalaina anareo manko fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra