Dia nalain’i Elia ny kapaotiny; nahorony nikapohany ny rano, izay nisaraka roa teo an-daniny avy, ary izy roa lahy nita tamin’ny tany maina.
Eksodosy 14:29 - Baiboly Katolika Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina, fa zary rindrina ho azy ireo ny rano, eo ankavanany sy eo ankaviany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny Zanak’Israely kosa dia nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy teo ankavanany sy teo ankaviany. DIEM PROTESTANTA Fa ny Israelita kosa dia niampita ny ranomasina nandia tany maina, fa ny rano dia nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ny Israelita kosa dia niampita ny ranomasina nandia tany maina, fa ny rano dia nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny Zanak’Isiraely kosa nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ny ankavanany sy teo amin’ny ankaviany. Malagasy Bible Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. La Bible en Malgache Fa ny Zanak’Israely kosa dia nandeha tamin’ny tany maina teo afovoan’ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy teo ankavanany sy teo ankaviany. |
Dia nalain’i Elia ny kapaotiny; nahorony nikapohany ny rano, izay nisaraka roa teo an-daniny avy, ary izy roa lahy nita tamin’ny tany maina.
Nosarahinao teo anoloan’ireny ny ranomasina ka dia namaky teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina izy; fa ireo mpanenjika azy kosa nazeranao tao amin’ny hantsana, sahala amin’ny vato, ao anatin’ny ranobe.
Nambanany ny Ranomasina Mena, dia maina io, ka nentiny nita ny hantsana toy ny hamaky ny efitra izy ireo.
nampisaraka ny ranomasina hampandehanany azy ireo; nitana ny rano mitsangana toy ny antontan-javatra miavosa.
Dia niditra teo afovoan’ny ranomasina efa tonga maina ny zanak’i Israely ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano.
Fa ny soavalin’i Faraôna sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny dia tafiditra ny ranomasina, ka nosaforan’i Iaveh ny ranon’ny ranomasina izy ireo, Ary ny zanak’i Israely kosa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina.»
Noho ny fofon’ain’ny vavoronao, Niangona niavosa ny rano, Niantsavovona ny onjan-drano; Raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.
I Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin’i Ejipta, sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin’ny herin’ny rivony, dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito, ka hataony azo aleha tsy ialàn-kapa eo.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Tsy Ianao va no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano tao amin’ny hantsam-be. Ka nanao ny fanambanin’ny ranomasina ho lalana nalehan’ny navotana?
ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka rehefa mioman-kandrava anao Izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa tambanin’ny rahona ny razantsika rehetra; namaky ny ranomasina izy rehetra;
dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, akaikin’ny tanànan’i Adoma, izay anilan’i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny Ranomasina Arabaha, dia ny Ranomasin-tSira, ka nita tandrifin’i Jerikô ny vahoaka.