Nosarahinao teo anoloan’ireny ny ranomasina ka dia namaky teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina izy; fa ireo mpanenjika azy kosa nazeranao tao amin’ny hantsana, sahala amin’ny vato, ao anatin’ny ranobe.
Eksodosy 14:27 - Baiboly Katolika Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany, ka vao nangirana ny andro dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina. Nandositra ny Ejiptianina ka tojo azy, ka dia navarin’i Iaveh tao anaty ranomasina ny Ejiptianina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany ka niverina ho amin’ny toerany teo aloha ny ranomasina rehefa nadiva ho maraina ny andro; nitsoaka nandositra ny rano ny Ejiptiana, kanjo notsenainy ihany, ary narian’NY TOMPO teo afovoan’ny ranomasina ny Ejiptiana. DIEM PROTESTANTA Dia nahinjitr’i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Niverina ho amin’ny toerany ny ranomasina rehefa ho maraina ny andro ka nifanehatra taminy ireo Ejiptianina nandositra, dia narian’ny TOMPO tao afovoan’ny ranomasina ny Ejiptianina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nahinjitr’i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Niverina ho amin’ny toerany ny ranomasina rehefa ho maraina ny andro ka nifanehatra taminy ireo Ejiptianina nandositra, dia narian’ny TOMPO tao afovoan’ny ranomasina ny Ejiptianina. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nahinjitr’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian’i Jehovah teo afovoan’ny ranomasina ny Egyptiana. Malagasy Bible Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana. La Bible en Malgache Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany ka niverina ho amin’ny toerany teo aloha ny ranomasina rehefa nadiva ho maraina ny andro; nitsoaka nandositra ny rano ny Ejiptiana, kanjo notsenainy ihany, ary narian’NY TOMPO teo afovoan’ny ranomasina ny Ejiptiana. |
Nosarahinao teo anoloan’ireny ny ranomasina ka dia namaky teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina izy; fa ireo mpanenjika azy kosa nazeranao tao amin’ny hantsana, sahala amin’ny vato, ao anatin’ny ranobe.
Ary namarina an’i Faraôna sy ny tafiny tao amin’ny Ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Notarihiny tamim-pahalalana izy ireo, ka tsy nanan-java-mahatahotra, ary ny fahavalony kosa natelin’ny ranomasina.
Hanainga kotopia hamelezana azy i Iavehn’ny tafika, toy ny namelezany an’i Madiàna, teo amin’ny vatolampin’i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingany izany toy ny taloha tany Ejipta.
ny nafitsony tamin’ny tafik’i Ejipta, ny soavaliny aman-kalesiny; akory izany namarinany ny ranon’ny Ranomasina Mena, hanafotra an’ireny, fony izy nanenjika anareo! Akory izany nandringanan’i Iaveh azy ho levona mandraka androany!
Ny finoana no nitàn’izy ireo ny ranomasina Mena, toy ny mandeha an-tanety; nony mba nanaraka kosa ny tera-tany Ejiptianina, dia saforan’ny rano.
Velon-taraina tamin’i Iaveh izy ireo, ka nasian’i Iaveh haizina teo anelanelanareo sy ny Ejiptianina, nakatony tamin’izy ireny ny ranomasina ka nanafotra azy, ary masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta; dia nitoetra ela tany an’efitra ianareo.
Nony niala teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ka vao nikasika ny tany maina ny faladian-tongony, dia nody amin’ny toerany ny ranon’ny ony, toy ny taloha nihoatra ny morona indray.