Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin’ny tanindrazanareo indray.
Eksodosy 13:19 - Baiboly Katolika Ary nentin’i Môizy niaraka taminy ny taolam-balon’i Josefa, araka ny nampianianan’i Josefa ny zanak’i Israely hoe: «Hovangian’Andriamanitra ianareo, ka ento lavitra miaraka aminareo hiala atỳ ny taolam-baloko.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary noentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolan’i Josefa, satria i Josefa dia efa nampianiana mafy ny Zanak’Israely hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo. DIEM PROTESTANTA Nalain’i Mosesy ny taolambalon’i Jôsefa ka nentiny niaraka taminy satria efa nampianiana ny Israelita i Jôsefa hoe: «Ho avy hanafaka anareo tokoa Andriamanitra, koa mianiàna amiko ianareo fa hampakatra ny taolambaloko miaraka aminareo.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nalain’i Mosesy ny taolambalon’i Jôsefa ka nentiny niaraka taminy satria efa nampianiana ny Israelita i Jôsefa hoe: «Ho avy hanafaka anareo tokoa Andriamanitra, koa mianiàna amiko ianareo fa hampakatra ny taolambaloko miaraka aminareo.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary nentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolan’i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo hianareo. Malagasy Bible Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo. La Bible en Malgache Ary noentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolan’i Josefa, satria i Josefa dia efa nampianiana mafy ny Zanak’Israely hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo. |
Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin’ny tanindrazanareo indray.
ka nino ny vahoaka; fantany fa efa namangy ny zanak’i Israely i Iaveh sy efa nitsinjo ny fahoriany, ka dia niondrika nitsaoka izy ireo.
Ary nahare ny mpiara-monina aminy sy ny havany fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy.
Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: «Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony.»
Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin’ny fasana izay novidin’i Abrahama vola tamin’ny zanak’i Hemora tany Sikema.»
Ny finoana no nilazan’i Josefa ny hialan’ny zanak’i Israely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin’ny taolam-balony.
Ary ny taolan’i Josefa, izay nentin’ny zanak’i Israely avy tany Ejipta, dia nalevina tao Sikema, amin’ilay saha novidin’i Jakôba, nomeny zato kesitasy, tamin’ny taranak’i Hemora, rain’i Sikema, ary tonga fananan’ny taranak’i Josefa ny taolany.